<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Andriamasinoro</author>
<hymn_number>419</hymn_number>
<title>Ry Raiko o! Ry Raiko o! FFPM419</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !
 Efa nanota teo imasonao
 Ity Zanaka mahantranao ;
 Ninia niala teo an-tranonao
 Mangovitra ny feoko,
 Torovana ny foko,
 Kanefa tazako Hianao
 Ka mamelà, mamelà,
 Raiko ô !

[V2]
 Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !
 Ho tanterahiko ny anjarako ;
 Mandao ny lalako taloha;
 Izay nanalavitra ahy taminao
 Tratrariko ny eo aloha,
 Ilaozako ny lasa,
 Inoako ny famindramponao
 Ka mamelà, mamelà,
 Raiko ô !

[V3]
 Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !
 Atsory amiko ny tananao
 Hamelona ny heriko
 Fa reraka aho, ka tantanonao
 Ny fitiavanao, Ray ô !
 Fanilo sady toky
 Andraisako fiadanam-po,
 Ka mamelà, mamelà,
 Raiko ô !

[V4]
 Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !
 Ho olom-baovao itý zanakao
 Raha tonga eo akaikinao
 Fa ho sasan'i Jeso Tompo tia
 Tsy tapitra ny antranao,
 Fa manana amby ampy
 Dia manantena aho izao
 Ka mamelà, mamelà,
 Raiko ô !</lyrics>
</song>